Kihon-dalana vaovao eo amin’ny tontolo ara-bola ny fisokafan’ny AFG Bank eto Madagasikara. Notokanana tamin’ny fomba ofisialy omaly ity banky vaovao ity izay etsy amin’ny Immeuble Gateway Ankorondrano rantsa-mangaikan’ny vondrona Atlantic Group. Tonga nanotrona izany ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola, Rabarinirinarison Rindra Hasimbelo, ny governoran’ny Banky foiben’i Madagasikara, Andrianarivelo Aivo Handriatiana, ary ny filoha mpanorina ny Atlantic Group, Dossongui Koné. Hitondra rivo-baovao eo amin’ny tontolo ara-bola ny AFG Bank amin’ireo vokatra vaovao moderina omeny. Vita ao anatin’ny 30 segondra ny fanokafana ny kaonty, hisitraka ny Carte bancaire eo no ho eo ihany koa ny mpanjifa tonga manokatra kaonty ao aminy. Ankoatra izay, hiavaka ny tolotra ataon’ny AFG Bank izay hampivoatra ny toekaren’ny mponina. Nilaza ny minisitry ny Toekarena sy ny fitantanam-bola fa manodidina ny 5% ny tahan’ny fampiasan’ ny Malagasy banky eto Madagasikara. Notohizany fa mbola ny 18% ny tokantrano eto amintsika no manana kaonty amin’ ny banky, ambany raha mitaha amin’ireo firenena aty Afrika izay efa tafakatra hatrany amin’ ny 43%.
Henintsoa H.