ITM-IHM : « Hanangana hotely kintana 5 miisa 15 », hoy ny filoha Rajoelina

Anisan’ny nivoitra nandritra ny kabarin’ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny amin’ny hetsika ITM-IHM, ny hanan­ganana hotely lehibe kintana 5 miisa 15. Tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny fizahantany izany.

Nisantatra ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany, ITM andiany faha-10, sy ny asa tanana IHM, andiany voalohany, eny amin’ ny CCI Ivato, omaly, ny filoha Rajoelina Andry. Fire­nena na­saina manokana i Côte d’Ivoire. Lohahevitra ny hoe « ny fahaizana mandeha an-tany hafa ». Nambaran’ny filoha Rajoelina fa fahatelo amin’ny fampidirana vola vahiny ny sehatry ny fizahantany. Eto amintsika ny 5% ny zavamananaina maneran-tany. Eo koa ny kolontsaina marolafy mampiavaka ny isam-paritra. Se­hatra mampidi-bola vahiny fahatelo ny fizahantany. Anisan’ ny paikady hampiroboroboana azy ny hananganana hotely lehibe manana sokajy kintana 5, miisa 15 eto amintsika. Hi­sokatra amin’ny 3 septambra ho avy izao ny zotra ana habakabaka mampitohy an’i Dubaï (Emirats Arabe-Unis) sy Anta­nanarivo. Maro ny fa­mandrihan’ ny mpanjifa te ho aty Mada­gasikara, fa olana ny tsy fa­ham­pian’ny zotra ana­tiny.

Niteraka 500 tapitrisa euros

Ho an’ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Ofisim-pirenena ho an’ny fizahantany (ONTM), Ranaivoarimanana Ionjaniaina, « manana ny anjara birikiny amin’ny fitomboana ara-toekarena ny fizahantany. Niteraka vola mahe­rin’ny 500 tapitrisa euros ny sehatry ny fizahantany eto Madagasikara, tamin’ny taona 2023 ». Mampiavaka an’ity hetsika andiany 2024 ity ny firenena ivoariana, amin’ny fihaonana mivantana B2B. Notsorin’ny minisitry ny Fiza­hantany sy ny fialamboly ivoariana, Siandou Fofana, fa mila mampitovy feo ny firenena afrikanina. Manodidina ny 50 ny mpandraharaha ivoariana manatrika ity hetsika ity.
Nilaza ny filohan’ny filankevi-pitantanana (PCA) ny Foibem-pirenena ho an’ny taozavatra malagasy (Cenam), Raminoharijaona Tojo, fa « din­gana vaovao ity hetsika ITM-IHM ity, hampandroso ny taozavatra malagasy ». Miisa 14 ny seha-piharian’ny asa tanana eny amin’ny IHM, ahitana sokajin’asa 164.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: