Miasa andro aman’alina, hatramin’ny faran’ny herinandro, ireo mpitsara avo eo anivon’ny HCC. Anatin’ny fandinihana ireo fitoriana izy ireo, amin’izao fotoana izao.
Nanamafy ny sekretera jeneralin’ny HCC, Ranesa Firiana, fa anatin’ny fikirakirana sy famakafakana ireo porofo rehetra amin’ireo fitoriana voarainy ny mpitsara avo. Na izany aza, tsy mbola voafaritra ny fotoana hamoahana ny voka-pifidianana ofisialy. Miezaka manatanteraka ireo asa nankinina aminy izy ireo. “Ampiarahana amin’ny famoahana ny voka-pifidianana ny didy momba ireo fitoriana an’arivony voaray”, hoy izy. Nanteriny fa hampahafantarina mialoha ny famakian’ireo mpitsara ny vokatra ofisialy izany didy izany. Hirosoana avy eo ny filazana ireo kandidà voafidy ho depiote.
Etsy andaniny, manampy betsaka azy ireo ny fitaovana ara-informatika. Ahafahana mikirakira sy mikajy ny vato azon’ireo kandidà mahazo toerana roa amin’ny distrika nilatsahany hofidina izany. “Tsy mandany fotoana firy”, araka ny nambarany.
Tsy misy tsindry politika
Nohitsiny koa anefa fa an-kalalahana tanteraka ny fanatanterahan’ireo mpitsara avo ny asany amin’izao fikirakirana ny voka-pifidianana izao. “Tsy ho tratran’ny tsindry politika na faneriterena amin’ny endriny samihafa manoloana ireo fanambarana sy fanehoan-kevitra tato ho ato nataon’ireo mpanao politika”, hoy ihany izy.
Tsiahivina fa tokony hotanterahina ny 27 jona izao, fara fahatarany ny famoahan’ny HCC etsy Ambohidahy, ny voka-pifidianana ofisialy.
Synèse R.