Tsy nisy ny sampona! Tontosa soa aman-tsara ny andrana teknika, nitondrana olona tamin’ny teleferika. Nisantatra ny dia ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Andry.
Tontosa omaly, ny andrana teknika faharoa, fitaterana an-tariby na ny teleferika. Nanomboka nitondra olona izany. Ny zotra mampitohy an’Anosy sy Soarano izay efa nandramana tamin’ny zerikanina feno rano ihany ity nandramana ity. Ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, niaraka tamin’ireo mpikambana eo anivon’ny governemanta, notarihin’ny Praiministra, Ntsay Christian, no nisantatra ny dia. Nanampy azy ireo ny olom-panjakana sy olom-boafidy, ary mpanao gazety sy olon-tsotra vitsivitsy.
Tanjona amin’ny fametrahana ny fitaterana an-tariby ny fametrahana vahaolana moderina sy mahomby amin’ny olan’ ny fitateram-bahoaka. Anisan’ ny vaindohan-draharahan’ny fitondram-panjakana ny fanalefahana ny fitohanan’ny fifamoivoizana eto Antananarivo. Ny ampahany voalohany amin’ny zotra Volomboasary, izay miainga eo Anosy, mandalo eo Soarano, Antanimena, Ankorondrano, Ivandry hatrany Ambatobe, ity nanaovana andrana ara-teknika ity. Naharitra 3 minitra sy 30 segondra no nanaovana ny halavirana Anosy-Soarano. Vinavinaina ho 30 minitra kosa no hanaovana ny halavirana Anosy hatrany Ambatobe, mirefy 8,6 km.
Ho an’ny rehetra “Vonona ary afaka mandeha ny zotra Anosy – Soarano” hoy Andriamanohisoa Gérard. Tsy maintsy mbola mifantina ny orinasa hitantanana an’ity “téléphérique” ity anefa ny fitondram-panjakana mialoha ny hitaterana mpandeha. Mitohy ihany koa ny asa famitana manontolo ny zotra Volomboasary. Izay iray amin’ireo zotra téléphérique roa hapetraka eto Antananarivo. Vinaniana ho eo amin’ny 3 000Ar hatramin’ny 5 000 Ar ny sandan’ny tapakila iray amin’ny “téléphérique”. Vinan’ny mpitantana ny hijerena tolotra hanamorana ny fanjifana ny tapakila. Heverina ihany ny hametraka tolotra sosialy ho an’ny mpianatra sy ireo zokiolona.
Lin