“Zah@Geek 3.0”: antoka manome asa ho an’ny tanora

Tontosaina etsy amin’ny gara Soarano, ny 21 hatramin’ny 23 jona, ny hetsika niomerika, “Zah@Geek 3.0”, karakarain’ ny Orange Madagascar. Maherin’ny 40 ny orinasa mandray anjara. Nanokatra ny fotoana ny minisitry ny Fampiroboro­boana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra, Razafindramalo Tahina. « Mamaly ny filan’ny tanora malagasy ny hetsika Zah@Geek 3.0. Satria mivondrona eto avokoa ireo orinasa mpisehatra eo amin’ny niomerika sy ny haitao ara-kajy mirindra ary manana tolotrasa ho an’ny tanora », hoy ny fanazavany. Araka izany, maherin’ny 5 000 ny tanora andrasana ho avy mandritra ny roa andro anaovana ny hetsika. Hisy ny « job datings » sy « speed recruiting » izay handraisana ny fangatahan’asa. . Ankoatra izay, hiompana manokana amin’ny fampiasana ny saina voatr’olombelona (intelligence artificielle) ity andiany fahatelo amin’ny “Zah@Geek” ity raha fanazavana hatrany. Izany hoe, hampahafantarina ny mpitsidika ny tontolon’ireo IA amin’ny fampivoarana ny fiainan’orinasa sy ny andavanandron’ny tsi­rairay.

Henintsoa H.

Partager sur: