harena an-kibon’ny tany : vahaolana ho an’ny atsimo

Mpampianatra mpikaroka amin’ny lafiny ara-bola amin’ny toekarena any amin’ny ta­pany atsimon’ny Nosy Andria­miharivola Zavamanitra. Na­no­me ny heviny izy manoloana ny tatitry ny Banky iraisam-pirenena (BM), ny volana febroary 2024 teo. Araka ny tatitra, faritra roa no mihoatra ny 90% ny tahan’ny fahantrana, ny taona 2021-2022, any Androy (95%) sy Vatovavy Fitovinany (92%). Manodidina ny 80% kosa ny any Amoron’i Mania, Bongolava, Betsiboka, Anosy, Atsimo Atsinanana, Matsiatra Ambony, Alaotra Mangoro, Ihorombe, Menabe ary Atsimo Andrefana.
« Raha aravona ireo, any amin’ny tapany atsimon’i Ma­dagasikara avokoa ny faritra 10 amin’ireo. Izany hoe, miaina anaty fahantrana lalina ny olona 8 amin’ny 10 », hoy i Zavamanitra A. Ho azy, « azo vahana tsara ny olana amin’ny fanomezan-danja ny indostrian’ny harena an-kibon’ny tany any atsimo. Tsy hitako ny fomba hanavotana ny olona any an-toerana ankoatra izay. Satria fotoana efa fitazoman’aina ny zava-misy ankehitriny fa tsy fampandrosoana intsony ».
Nomarihiny fa ilaina ny fifampiresahan’ny orinasa na­hazo ny fahazoan-dalana hi­trandraka amin’ny mponina eny ifotony, mba ho samy mahazo tombontsoa. Manana adidy amin’izany koa ny tomponandraikitra eny an-toerana. Hampandroso ny eny ifotony, ny faritra ary ny firenena izany rehetra.

Njaka A.

Partager sur: