Tambajotra 2Africa: miara-miasa ny Airtel Africa sy ny ASN

Sampana orinasa mpamongady ao amin’ny Airtel Africa, amin’ny firenena 14, aty Afrika ny Airtel Telesonic. Nahomby ny fiaraha-miasany amin’ny orinasa Alcatel Submarine Networks (ASN), nametrahana ny randrantadim-pifandraisan-davitra (câble) matanjaka an-dranomasina 2Africa, mampifandray an’i Kenya, Tanzania ary Afrika Atsimo. Anisan’ny tambajotra goavana indrindra maneran-tany ity natao ity, mampifandray an’ i Afrika, Eoropa ary Azia.

Ampiasain’ny ASN amin’ity fiaraha-miasa amin’ny Airtel Telesonic ity ny teknolojia avo lenta sy hiaka farany, ny SLTE (PSI-Sub). Nilaza i PD Sarma, tale jeneralin’ny Airtel Telesonic, fa dingana vaovao eo amin’ny tantaran’ny fifandraisan-davitra ny fampiasana ny 2Africa, anisan’ny tambajotra lehibe indrindra aty Afrika. Nanamafy ny lehiben’ny varotra ao amin’ny ASN, Paul Gabla, fa taratry ny hanomezana vahaolana ara-teknolojia avo lenta maneran-tany ny SLTE ho an’Afrika izao fiaraha-miasa amin’ny Airtel izao.

Hanova ny tontolo niomerika aty amin’ny kaontinanta afrikanina ny tambajotra an-danomasina 2Africa. Manitatra hatrany ny ambaindahin’ny sehatra iasany ny Airtel Africa, hanomezana tolotra mahafa-po ny mpanjifa.

Njaka A.

Partager sur: