Notanterahina ny asabotsy 17 desambra teo, tao amin’ny Espace Kolo Kanto Parc de l’Est Antsirabe ny famoahana ny “Maroandavaka”, boky mirakitra haisoratra novolavolain’ny aingampanahin’ireo poeta 9 mianadahy (Lamz, Riana, Ni-Avatsa, Aloka Miserana, Ny Avo Elabakaka, Tsiky Sesehena, Aingan’ny Ala, Patrick Teddy ary i Faniry Ezeckiel.
Avy amin’ny Faribolana Sandratra sampana Betafo izy ireo. “Maroandavaka”, boky 90 pejy, mirakitra tononkalo sy riankalo. Nanao ny teny fanolorana, i Solomon Rakotonirina. Ny Fontsy Edition kosa no nanonta azy ity.
Hitohy ny asabotsy 24 desambra, ao amin’ny Dobo Art Antsirabe ny fampirantiana ity boky vaovao ity. Hisy hatrany ny seho an-tsehatra hanamarihana izany. Marihina fa boky faharoa navoakan’ny Faribolana Sandratra sampana Betafo ny “Maroandavaka” , taorian’ny “Embok’Ambondrombe” tamin’ny volana jiona teo.
Taratry ny firoboroboan’ny literatiora malagasy sady tsangambato hitety ny vanim-potoana ny boky tahaka itony raha ny voarakitra ao anatiny no iaingana.
HaRy Razafindrakoto