Nifarana ny hetsika iraisam-pirenena ho an’ny fizahantany (ITM andiany faha-10) sy ny ho an’ny asa tanana (andiany faha-10). Nambaran’ ny minisitry ny Fizahantany sy ny asa tanana, Randriamandranto Joël, fa « nampiavaka ity hetsika ity ny fisian’ny IHM. Voafetra ho 100 ny tranohevan’ny mpandray anjara, na maherin’ny 400 aza no nangataka. Nitety ireo tranoheva tsirairay aho, ka tena finaritra ry zareo satria nisy ny sehatra iray nampisehoany ny vokatra sy ny zava-bitany sady nampahafantarana ny toerana misy azy tsirairay. Nahalafo maromaro fa tsy iray na roa ihany koa. Variana koa ny mpitsidika satria nahita ny zava-bita sy ny fahaizan’ny mpanao asa tanana sy taozavatra malagasy ».
Nilaza ny minisitra Randriamandranto Joël, fa mihoatra amin’ny neritreretina ny mpitsidika, satria manodidina ny 5 000 ny andron’ny sabotsy 22 jona teo. Hotohizana ny hetsika toy izao, ary hisy andiany atokana ho an’ny asa tanana kosa amin’ny faran’ny volana novambra na desambra 2024 ho avy izao. Sady fotoana hiomanan’ny mpitsidika mahakasika ny fanomezana faran’ny taona.
Njaka A.