Angovo azo avy amin’ny rano: hanampy antsika i Indonezia

Anisan’ny voafidy hananganana tobim-pamokarana herinaratra avy amin’ny rano, iarahana amin-dry zareo indoneziana, ny kaominina Ivony, distrika Ambositra, faritra Amoron’i Mania. Tanteraka izany vokatry ny fiaraha-miasa amin’ny telo tonta, Madagasi­kara, ny South-South and Trian­gular Cooperation in Decen­tra­lised Renewable Energy (SSTC DRE -Indo­nezia) ary tohanan’ny Fiaraha-miasa alema GIZ-Perer.
Hatao sonia amin’ny 1 ha­tramin’ny 4 septambra ho avy izao, any Bali Indonezia, ny fifanarahana eo amin’ny telo tonta. Hatolotra ny 5 jolay izao ny antontan-taratasy irakitra ny antsipiriany. Hiantoka ny fa­nanganana ny tobim-pamokarana ny Gret Madagasikara, miampy ny fitaterana ny tambajotra. Handray an-tanana ny fitaovana « turbine » sy ny koja­koja ary ny fampidirana ny heri­naratra ho an’ny mponina ny indoneziana. Nifarana ny 21 jona teo ny iraka nataon’ny dele­gasion’ny SSTC DRE, ni­hao­nana tamin’ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Angovo (MEH), Andriantsoa Thierry.

Njaka A.

Partager sur: