Mampahafantatra sy manandratra avo ny sakafo malagasy ny tolotra omen’ny Table d’hôte ny La Maison du Vita malagasy amin’ny alalan’ireo fahaiza-manao sy ny fampiasany ireo vokatra natoraly misy eto amintsika.
Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy ny zoma teo, etsy Ampahibe Ambohidahy, ny table d’hôte ny La Maison du Vita malagasy. Tranom-pisakafoana manandratra avo ny sakafo malagasy. Mampiavaka azy ny fahaiza-manaon’ireo mpikarakara sy matihanina amin’ny nahandro malagasy amin’ny alalan’ny fampiasana ireo vokatra 100% natoraly. «Vokatra misy eto amintsika avokoa no hikarakarana ny sakafo ary tsy mampiasa hanitra simika mihitsy izahay », hoy ny mpitantana ny La Maison du Vita malagasy, Razao Harinirina Pépin Aurélie, nandritra ny fanokafana tamin’ny fomba ofisialy ity tranom-pisakafoana ity. Eo am-pamandrihana ny sakafo mihitsy vao mikarakara izany ireo mpikarakara ialana amin’ ny fampiasana ireo sakafo tehirizina anaty vata fampangatsiahana. Noho izany, sakafo ara-pahasalamana sy manana tsiro natoraly tanteraka no atolotra ny mpanjifa.
Tolotra
Natao ho an’ny Malagasy sy ho an’ny teratany vahiny ny tolotra omena sy hampahafantarina ny tsiro malagasy. Ankoatra izay, haingo maso sy hahitana ny vokatry ny asa tanana ihany koa ny eny amin’ny « table d’hôte » ao Ampahibe Ambohidahy. Hita ao an-toerana avokoa ny kojakoja samihafa ataon’ny La Maison du Vita malagasy. Nilaza ny mpamokatra fa niainga
tamin’ny fitiavana ny vokatra malagasy no niandohan’ny tetikasa ka nahazoana ireo vokatra isan-karazany. Etsy ankilany, nilaza izy fa na maro aza ny mpanao asa tanana dia mbola mananosarotra ny fitadiavana lalam-barotra eto amintsika. Lafo ny akora fampiasa amin’ny asa tanana vita malagasy raha oharina amin’ ireo vokatra avy any ivelany sy ara-indostrialy.
Henintsoa Hani