Nihena manodidina ny 0,2 ka hatramin’ny 0,3% ny vidim-piainana ny volana oktobra sy novambra, taona 2023, taorian’ny fisondrotan’izany ho ambony indrindra ny volana marsa tamin’ny taon-dasa, araka ny tatitra navoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara (BFM). Nahatonga izany ny fiakaran’ny vidim-bary ka nahatonga ny Indice des prix à la consommation (IPC) ho 1,0% nandritra ny volana desambra teo. Nahitam-piakarana ho 7,5% ny IPC teo anelanelan’ny volana desambra 2022 sy ny volana desambra 2023 raha oharina ny tamin’ny taona 2022 izay 10,8% sy 5,8%, ny taona 2021. Nandritra ny telo volana faran’ ny taona 2023, nahitam-piakarana hatrany amin’ny 1,6% ireo vokatra avy eto an-toerana izay mitana ny 85,7% ny entana vidian’ny isan-tokantrano, raha 1,0% izany ny sivy volana teo alohany ary nisondrotra 2,3% tao anatin’ny telo volan’ny faran’ ny taona 2022, hoy hatrany ny BFM. Ankoatra izay, manodidina ny 2,1% ny IPC momba ny vary nandritra ny telo volana faran’ny taona, tamin’ny taon-dasa, raha nilatsaka 0,2% teo aloha ary tafakatra ho 3,6% izany ny telo volana farany, ny taona 2022.
Henintsoa H.