Handray ny andraikiny avy hatrany ireo Inspektera indostrialy 31 mianadahy nahavita fianianana tetsy amin’ny Fitsarana ambaratonga voalohany, Anosy, ny alatsinainy teo. Hanampy amin’ny fampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara sy hanara-maso ny fandikan-dalàna ary vonona hiantoka ny fampandrosoana maharitra an’izany ireto tomponandraikitra vaovao ireto. “Hanoro hevitra sy hanao tantsoroka amin’ny mpandraharaha amin’ny fananganana sy fampihodinana ny orinasa ireto Inspektera indostrialy andiany vaovao ireto”, hoy ny minisitra Razafindravahy Edgard. Araka izany, hiasa eny an-tsaha ireto matihanana ireto sady hampihatra ny fahaiza-manao hampandrosoana ny firenena sy hampiroboroboana ny sehatry ny indostria eto amintsika. Ankehitriny, mitotaly 51 ireo inspektera indostrialy nahavita fianianana sy amperinasa any amin’ireo faritra samihafa manerana an’i Madagasikara.
Andry iankinan’ny fampandrosoana ny firenena ny indostria. Araka izany, hiandraikitra ny fanodinana sy hanara-maso ny fampandehanana izany ireto tomponandraikitra vaovao ireto. Hiantoka ny fiaraha-miasa amin’ireo sampandraharaha voakasika izany ihany koa sady hametraka ny lalàn’ny fiarovana ny tontolo iainana anatin’ny fampiroboroboana ny indostria.
Henintsoa Hani