“Manan-danja ny hasin’ ny fitiavan-tanindrazana”

“Manan-danja loatra amintsika ny hasin’ny fitiavan-tanindrazana. Izay indrindra no nisafidianana manokana ny teny faneva fankalazana hoe: Madagasikara mandroso, Ma­l­agasy miara-mientana ao anatin’ny fitiavan-tanindrazana”, hoy ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina Andry, ta­min’ny kabary fanombohana ny matso teny amin’ny kianja Barea, Mahamasina, omaly, tao anatin’ny fankalazana ny 26 jona. Tandroka aron’ny vo­zona miaro ny vahoaka sy ny fananany ny Foloalindahy. Aron’ny tany sy mampanjaka ny fandriampahalemana, mia­ro ny fiandrianam-pirenena. Mitaky fanoloran-tena sy fitiavan-tanindrazana izany. An­dro lehibe no natrehina, nanamarihana ny fankalazana amin’ny fomba mendrika tamin’ny matso. Mijery sy matoky ny Foloalindahy ny Malagasy rehetra.
Nanontany ny Foloalin­dahy ny filoha ny amin’ny fa­havononan’izy ireo hanatanteraka ny matso, hiaro ny fiandrianam-pirenena, hiaro ny fanjakana mijoro, ary hametraka ho ambony ny hasin’ny vahoaka malagasy. Ilaina tanterahina ao anatin’ny firaisan-tsaina sy fiombonam-po ny fampandrosoana ny firenena. “Tsy hanaiky hozarazaraina isika, fa hiara-kiroso sy hiara-kisalahy hampandroso ao anatin’ny vina hapetraka ity Nosy malalantsika ity. Koa sahy ve ianareo hiaro hatrany ny fiandrianam-pirenena?”, hoy ihany ny fanontaniany ny Foloalindahy. Noho izany, na­tomboka ny matso. Enga anie hamelona ny afon’ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny tsirairay avy ny fankalazana. Ny faniriana dia hiray fo sy saina ary hiray hina ny Ma­lagasy rehetra, hiara-kandroso sy hampandroso ny firenena.

R. Nd.

Partager sur: