Mitana anjara toerana lehibe eo amin’ny fivoaran’ny olombelona, eo amin’ny tontolon’ny asa, ny siansa momba ny ita sy ny serasera (Science de l’information et de la communication, Sic). Antony nitondrana fanazavana bebe kokoa mahakasika izany teny amin’ny Oniversiten’Antananarivo, ny herinandro lasa teo. Nifarimbona ny Agence Peak sy ny fikambanana Arisera nikarakara ny hetsika «Wel’ Com», niarahana tamin’ireo manam-pahaizana momba ny Sic, ny Dr Fabrice Lollia sy Dr Razafindranavo Hervé. Tanjona ny hitondra fanavaozana sy hizarana fahalalalana lalina kokoa momba ny siansa momba ny ita sy ny serasera. Nasongadin’i Dr Fabrice Lollia fa « anisan’ny namolavola ny fahombiazana sy nahamatihanina azy teo amin’ny sehatry ny asa ny Sic ». Nivoitra, nandritra izany, fa fahalalana ara-tsaina (théorie) mifanaraka tsara amin’ny teknolojia samihafa sy mamaly ny filan’ny tontolon’ny asa ny SIC. Sakana ho an’ny fifehezana ny serasera sy ny asa fanaovan-gazety kosa izany raha toa ka mifamahofaho ny fahalalana entiny. Etsy ankilany, nilaza ny Dr Razafindranaivo Hervé fa tanjona ny hahaizan’ny mpianatra mampifandray ny fahalalana ara-tsaina sy ny fampiharana izany eo amin’ny sehatry ny asa sy haha matihanina azy amin’ny ho avy.
Fampifandraisana
Sehatra natao hampiharana ny Sic eo amin’ny sehatrasa isan-karazany ny hetsika nataon’ny “Wel’com”. Nasongadina manokana ny maha zava-dehibe ny fahaiza-manao momba izany eo amin’ny tontolon’ny asa.
Henintsoa Hani