Nisokatra omaly sy mitohy anio, etsy amin’ny Novotel Ivandry, ny Tsenabe iraisam-pirenena “COMFWB Trade Fair & Conference”. Hetsika hampiroboroboana ny fandraharahan’ny vehivavy malagasy sy afrikanina.
Miaraka mikarakara ny tsenam-paritra afrikana Comesa ny Federasiona vehivavy mpandraharaha ao amin’ny Comesa (COMFWB) sy ny Vondrona vehivavy mpandraharaha eto Madagasikara (GFEM). Andiany fahadimy ity hetsika ity ary firenena voalohany miteny frantsay mandray azy i Madagasikara. Miisa 21 ny firenena aty Afrika mandray anjara. Nambaran-dRazakaboana Fanja, filohan’ny COMFWB sy ny GFEM, fa tanjona ny hikarohan’ny vehivavy mpandraharaha malagasy sy ny ao anatin’ny Comesa mpiara-miombon’antoka mivantana sy lalam-barotra. Miisa 3 000 ny mpitsidika andrasana.
Nanokatra ny fotoana ny vadin’ny filoham-pirenena, Rajoelina Mialy. Nambarany fa « mahavita zavatra tsara lavitra mihoatra ny lehilahy ny vehivavy. Mitondra fampandrosoana ho an’ny toekarena sady mahavita tena. Miteraka sandan-karena fanampiny (Valeur ajoutée) ny fanodinana ny akora fototra ho vokatra. Manaja ny harena voajanahary ny fizahantany. Ilaina ny fanofanana ara-teknika, ny fitantanana, ny lafiny vola, ny fahaiza-mivarotra, sns ».
Taninketsa indostrialy
Nomarihin’ny minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (MIC), Razafindravahy Edgar, fa ivon’ny toekarena ny vehivavy. Maro ny tohana ataon’ny fanjakana ho an’ny mpandraharaha. Toy ny famoahana ny lalàna ho an’ny fampiasam-bola, ny kaoperativa, ny fanaovan-tsonia ny fifanarahana ara-toekarena iraisam-pirenena samihafa, sns. Anisan’ny hifantohana, ankehitriny, ny taninketsa indostrialy (Odof) ho an’ny orinasa madinika sy salantsalany (PME- PMI). Efa miisa 69 ny tafapetraka any amin’ny distrika. Tanjona manaraka ny fanondranana any ivelany, ka mifanandrify amin’izany ity hetsika “CMFWB Trade Fair” ity.
Njaka Andriantefiarinesy