« Tsy mahagaga… Ny dadabeany efa mpitendry zavamaneno »! Tsy voatery ho izay anefa. « Manan-talenta avokoa ny olona tsirairay ». Mety ho marina avokoa ireo, saingy, ny lovan-talenta tsy voatery hifanitsy!
Ifandovana ny talenta raha ny filazan’ny mpikaroka momba izany. Ho an’ny Malagasy manokana, lova voajanahary io, saingy, tsy voatery hipoitra avy hatrany amin’ny taranaka voalohany (na ny zanaka). Ankoatra izay, tsy voatery hitovy ihany koa ny lovan-talenta. Raha nahitana mpitendry zavamaneno (havanana amin’ny fitendrena zavamaneno) ireo ray aman-dreny nipoirana (na ireo razany niandohana), tsy voatery ho mpitendry zavamaneno manahaka izany ihany koa ny taranany aty aoriana. Raha mpanao sary ny teo aloha, tsy voatery hahay na havanana amin’ny fanaovan-tsary ireo fara sy dimbiny. Azo antoka kosa anefa fa hisy manan-talenta amin’ny zavakanto izy ireny (taranaka).
« Manan-talenta ny olombelona tsirairay », hoy indray ny mpikaroka sasany. Saingy, maro ireo tsy mahafantatra ny talentany. Na, mahalala ihany fa tsy mahay mamoha izany. Io tranga io no mahatonga ny Malagasy, hitari-dalana ny taranany…
… Namantatra ny taranany ny Malagasy
Tamin’ny alalan’ny firaiketam-po tamin-janany no nahafantaran’ny Malagasy ny talenta tao aminy. Nateveniny tamin’ireo lalao isan-karazany izany. Ny zaza lahy, nampilalaovina ny kiombiomby, amponga tany, daka, fanorona, sns. Ny zanaka vavy, nanao fampitaha, nampiady ravina, nanao tsikoninkonina, sns. Tao koa ny ankifidy, ankamantatra, angano sy arira… Samy nahitan’ny Malagasy ny talentan-janany avokoa ireny.
Fantany ny « mampatanjaka » sy ny « mamparefo » ny taranany. Niainga avy amin’izany ny fanabeazana nomena azy ireny tsirairay, hany ka nanana taranaka vanona hatrany ny Malagasy fahiny. Ankoatra ireo, mahafantatra tsara ny fototra nipoirany ny fianakaviana tsirairay ka tsy nanano sarotra ny nanabe sy nitaiza ny taranaka fony fahagola.
HaRy Razafindrakoto