Fandaharanasa Formaprod : maherin’ny 53 000 ny asa niforona

Tapitra ny fandaharanasa Formaprod. Maherin’ny 105 000 ny tanora nahazo fiofanana, ary mihoatra ny 53 000 ny asa vaovao niforona.

Fahombiazana. Natsan­gana ny taona 2014 ny Fandaharanasa fano­fanana ho mpamokatra eny ambanivohitra (Formaprod), eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae). Amin’izao fiafaran’ny fandaharanasa izao, nahafa-po ny vokatra, satria nihoatra tamin’ny nandrasana. Miisa 105 624 ny tanora nisitraka fiofanana raha 100 000 no nokendrena. Miisa 81 465 ireo nahazo tohana fampiharana ary 35 410 nomena kojakoja sy fitaovana entina ma­nomboka ny fihariany avy. Nahatratra 69 032 ny tanora nomena tantsoroka amin’ny fanatanterahana ny tetikasany. Miisa 20 320 ireo afaka niditra tao anatin’ny sehatry ny famatsiam-bola.
Tamin’ireo rehetra ireo, nahatratra 53 128 ny asa vaovao niforona, ka nihatsara ny fidiram-bolany, nitombo ny vokatra satria nanaraka ny fenitra ara-teknika. Nisonga­dina koa ny tanora, vehivavy, nanangana ny fihariany mahaleo tena sady afaka manapa-kevitra irery.
Ankoatra ny velon-tenan’ ny tsirairay, misy ny tohana nataon’ny Formaprod amin’ny fananganana fotodrafitrasa ahafahana mamokatra araka ny tokony ho izy. Mahatratra
4 280 ha ny velaran-tany voajary, vokatry ny fananganana tohodrano sy lakandrano. Mirefy 156 km ny lalana narenina.

Faritra 14
Miisa 64 ny foibem-panofa­nana Formarpod manerana ny faritra 14. Novatsiana fitao­vana sy kojakoja ilaina amin’ ny fanofanana ny 59 amin’ireo. Misy 27 ny toerana fanan­gonam-bokatra, fanodinam-bokatra ary fivarotana naorina.
Natao ny 3 jolay teo ny famaranana ny Formaprod, notarihin’ny minisitry ny Minae, Ratohiarijaona Suzelin. Nam­barany fa tafiditra ho anisan’ny dingana mankany amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo ny Formaprod. Hisy fandaharanasa hafa indray hanohizana azy, sady hitarina ny faritra hisitraka ny tohana.

Njaka Andriantefiarinesy

Partager sur: