Nanamafy ny minisitry ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd), Max Andonirina Antoine, fa ho tafaverina eto Madagasikara ireo sokatra miisa 1 076 sy varika 48 tratran’ny ladoany thaïlandais, ny 1 mey teo. Nisy ny fifanarahana teo amin’ny fanjakana malagasy sy thaïlandais nahatongavana amin’ izao dingana izao. Na izany aza, misy ny fepetra ara-teknika sy ara-pahasalamana tsy maintsy arahina, ka atoka-monina izy ireo. Koa, amin’ny faran’ny volana jolay izao, vao azo atao ny fampodiana ireo biby ireo ary tsy maintsy hatoka-monina fanindroany indray rehefa eto Madagasikara. « Efa eo am-panomanana ny toerana hametrahana azy ireo eto amintsika, toy ny fitsidihana ny tany Toliara, andro vitsy lasa izay », hoy ihany ny minisitra. Nomarihiny koa fa efa nisy ny atidoha tratra, vahiny, toy ny teratany srilankais, birman, thaïlandais, sns. Tsy mbola nisy kosa olom-boatendry na olom-boafidy voarohirohy tamin’iny raharaha iny. Nohamafisina koa ny fiaraha-miasa amin’ny fanaraha-maso ny sisintany, ny seranam-piaramanidina, ny lalam-pirenena hisorohana ny trafika ato anatiny. Efa nitsangana ny vaomiera manokana « Task force » manatanteraka ireo.
Ankoatra izay, nambaran’ ny minisitra fa mifampidinika matetika amin’ny Fiarahamonim-pirenena, toy ny Alliance Voahary Gasy (AVG) ny tenany, mikaroka vahaolana sy mijery ny fiaraha-miasa.
Njaka A.