Mampiasa fitaovana niomerika vaovao ny ladoany malagasy. Hitahirizana ny antontam-baovao maharitra ny Data Warehouse.
Mampitombo ny fitaovana ampiasainy ny sampandraharahan’ny haban-tseranana malagasy. Hanangonana amin’ny fomba niomerika ny antontam-baovao rehetra kirakiraina ny Data Warehouse. Maro ny tombontsoa azo amin’ny fampiasana azy. Ahafahana mitahiry maharitra ny antontam-baovao, ampitahana ny karazana antontam-baovao samihafa, ahafahana mandray fanapahan-kevitra, … ihany koa.
Manamora ny asan’ny ladoany ny fisian’ity fitaovana vaovao ity, sady mifanojo amin’ ny fihazakazahan’ny teknolojia maoderina. Marobe ny sehatra kirakirain’ny fitantanana ny haban-tseranana ary misy ny tena saro-pady. Azo tahirizina mandritra ny 50 taona ny antontam-baovao raha toa ka fito taona ny Sydonia World nampiasaina hatramin’izay. Azo ampiasaina mifanandrify amin’ny sehatra hafa, na koa mifanakalo antontam-baovao samihafa. Tombony lehibe koa ny fampiasana azy satria haingana ny fotoana ary marobe ny ranty azo ikirakirana azy.
Tolotra tsara kalitao
Hita daholo ny fiavian’ny loharanom-baovao sy azo antoka ahafahana mandray fanapahan-kevitra. Tsara sy ambony ny kalitaon’ny fanadihadiana ampiasana ny Data Warehouse.
Nijery ny fitaovana sy ny fomba fampiasana azy ny tale jeneraly (DG) ny haban-tseranana, Lainkana Zafivanona, ny alakamisy teo. Nambarany fa tsy maintsy miezaka manatsara ny fomba fiasa ny ladoany Malagasy. Sady tsy mitsahatra ny mivoatra manaraka ny toetrandro izany. Tanjona ny hanomezana tolotra tsara hatrany ny mpanjifa sy ireo manan-draharaha aminy, tanteraka izany, ankehitriny.
Njaka Andriantefiarinesy