Fitantanam-bola : hiara-hiasa ny BNI sy ny Mvola

Mitohy hatrany ny tolotra omen’ny BNI Madagascar ho fahafaham-po ny mpanjifany. Ankehitriny, miara-miasa amin’ ny Mvola izy amin’ny alalan’ny tolotra #699# izay ahafahan’ny mpanjifa tsy ankanavaka manara-maso ny toe-bolany eny anivon’ny banky. Tsotra, mora, tsy mila internet ary tsy mifidy finday ny fidirana amin’izany.

Mila mampifandray ny kaonty BNI Madagascar amin’ny Mvola amin’ny alalan’ny #699# ny mpanjifa ary manaraka ireo toromarika isan-karazany. Aorian’izay, afaka mijery sy manara-maso ny toe-bolany amin’ny fotoana rehetra izy. Ankoatra izay, manampy amin’ny fandefasam-bola avy amin’ny kaonty BNI Madagascar manerana ny Nosy mankany amin’ny Mvola ihany koa ny tolotra omen’ny #699#. Tanjona ny hahafahan’ny rehetra misitraka ny tolotry ny banky am-pilaminana sy ampitoniana, hanampiana ny mpanjifa ihany koa hitantana ny volany eny anivon’ny BNI Madagascar.

Henintsoa Hani

Partager sur: