Nampahafantarina omaly, ny Paikadin’ny Madagascar National Parks (MNP) ato anatin’ny dimy taona ho avy (2024-2028). Antsoina hoe Impulse 2024, fiarahantsika ho an’ny valan-javaboahary ity paikady ity. Miahy ny MNP ny minisiteran’ny Tontolo iainana sy ny fampandrosoana maharitra (Medd). Efa fanao isan-taona, nanomboka ny taona 2019 ny fivoriana iarahana amin’ireo mpiara-miombon’ antoka amin’ny MNP rehetra. Tanjona ny hampitoviana ny fijery sy ny vina ary ny fampandrosoana ny mponina manodidina ny valan-javaboahary. Tsiahivina fa miisa 43 ny valan-javaboahary tantanin’ny MNP.
Tafiditra ao anatin’ny paikady 2024-2028 an’ny MNP ny hanatsarana ny lanjan’ny tontolo mananaina, ny fiarovana ny rohy voahary ary indrindra ny fanatsarana ny fiainan’ny mponina manodidina ny valan-javaboahary. Eo koa ny famatsiam-bola maharitra, ny fanatsarana ny fitantanana ary ny fampahafantarana ny MNP eny ifotony, eto amin’ny firenena ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena.
Nambaran’ny tale jeneraly (DG), Rakotoarisoa Ony, fa «tena ilaina ity paikady mandritra ny dimy taona ity mba hitondra fampandrosoana maharitra ny fiarovana ny harena voajanahary. Tsy tanteraka izany raha tsy eo ny tohana iarahana amin’ny mpiara-miombon’antoka sy ny ezaky ny mpiasan’ny MNP. Azonay antoka fa ho tratra ny tanjona apetraka».
Njaka A.