VAOVAO TAMBATRA

Nampandre ny mpanjifany ny Jirama fa tara ny fahatongavan’ny sambo mitondra solika mavesatra avy any ivelany. Voatery mitsitsy ny tahiry eo am-pelatanana ny orinasa, hampihodinana ny milina mamokatra herinaratra. Nisy ny fanapahana ny famatsiana mandritra ny adiny roa, omaly.
Vita omaly, ny famindram-pitantanana eo amin’ny tomponandraikitra voalohan’ny Tsenam­barom-panjakana avy amin’ny famatsiam-bola anatiny (PRMP-RPI), mpisolo toerana, Raoelison Ranja, sy ny vaovao, Tsabotosolofo Tanjona. Nanome toky ity farany fa hanohy sy hanafaingana ny asa efa natomboka, saro-pady tokoa ity andraikitra ity.
Manohana ny fampiroboroboana ny fambolena tsaramaso, katsaka ary vary, any Bongolava ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana. Miara-miasa aminy ny mpamokatra masomboly vary an-drano miisa 10, vary an-tanety miisa 10, katsaka miisa 20, tsaramaso miisa 20. Eo koa ny ivontoeram-pikarohana Fofifa any Kianjasoa.
Nandray anjara tamin’ny fihaonambe
iraisam-pirenena mahakasika ny angovo i Madagasikara. Natao ny 25-28 jona teo izany, tany Barcelone Espagne. Tanjona ny hampiroboroboana ny sehatry ny angovo azo havaozina. Mitentina 30 miliara dolara ny famatsiam-bolan’ny Banky afrikanina ho an’ny fampandrosoana (Bad) ho an’i Afrika.

Partager sur: