Nifarana tamin’ny 3 jolay lasa teo ny fifaninanana amin’ny taranja bisikileta, ho an’ny faritry ny ranomasimbe Indianina, izay notanterahina tany Maurice. Laharana fahasivy tamin’ny “Course en ligne” i Fitahiantsoa Amédée Dino Mohamed na Mohamed Houlder, Malagasy mpilalao.
« Azo lazaina fa tokony ho tsara ihany ny vokatra tamin’ity fifanintsanana ity saingy tsy ampy ny fanomanana », hoy i Mohamed Houlder, omaly. Araka ny fanazavana azo, miisa 22 teo ireo nandray anjara tamin’izany, ka ny fito tamin’ireo mpifanintsana no niala an-daharana.
Ankoatra izay, tsara ihany ny mampahatsiahy fa laharana faha-14 tamin’ireo mpifanintsana 15 ny tenany, nandritra ny hazakazaka ara-potoan’ny tsirairay.
Tsara marihina fa i Mohamed Houlder no Malagasy tokana nahazo medaly alimo, nandritra ny lalaon’ny Nosy 2023, izay natao teto Madagasikara. Raha tsy misy ny fiovana, hatao eto Madagasikara, ny taona 2025, ny andiany faharoa amin’ity lalao bisikileta aty amin’ny ranomasimbe Indianina ity.
F.R