Manomboka ny faha-3 hatramin’ny 9 taona ny ankizy no mora mandray kokoa ny fanabeazana. Fikambanana misahana izany ny Zazakely Sambatra, niorina teto Madagasikara, nanomboka ny taona 2004. Tanjona ny hampivelarana dieny mbola kely ny ankizy, mba ho afaka mamolavola ny hoaviny. Misy ny paikadim-panabeazana «Think Equal», miainga amin’ ny fampivelarana tsikelikely ny fientanam-pon’ny ankizy tsirairay, mba hahaleo tena izy ireo, fa tsy hiankin-doha be loatra amin’ny ray aman-dreny intsony.
Vina hatramin’ny taona 2026, napetraky ny Zazakely Sambatra, fikambanana frantsay, ny hanabeazana ankizy 8 453. Miisa 417 ny mpanabe hofanina mahakasika izany, ho an’ny kilasy 400. Mahatratra 25 ny karazana fahaiza-manao miainga amin’ny fientanam-po.
Nilaza Laetitia Fleurentin, tomponandraikitry ny tetikasa “Think Equital” eto Madagasikara, fa efa nisy ny tetikasa andrana natao teto Analamanga ho an’ny taom-pianarana 2023-2024 tany amin’ny sekoly tsy miankina. Hitarina amin’ny faritra efatra (Analamanga, Atsinanana, Boeny, Diana) izany ho an’ny 2024-2025, manomboka amin’ny septambra izao, ary hisy ny fampiofanana ny mpampianatra any amin’ny EPP. Maharitra 30 mn intelo isan-kerinandro ny fotoana hampiharana azy any am-pianarana. Ezahina ny hampidirana ity paikady ity ao anaty fandaharam-pianaran’ny ankizy rehetra eto Madagasikara.
Njaka A.