Misy ny fiaraha-miasan’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana amin’ny Tafika malagasy hamongorana ny andiam-balala. Ampiasaina ny angidimby.
Mamaramparana ny fotoana famonoam-balala ny Ivontoerana famonoana valala eto Madagasikara (IFVM) eo ambany fiahian’ny minisiteran’ny Fambolena sy ny fiompiana (Minae), ao anatin’ny fandaharanasa Defis. Miara-miasa amin’izy ireo koa ny minisiteran’ny Foloalindahy. Nanainga ny sabotsy 6 jolay teo, ny angidimby an’ny Tafika Malagasy, hanao ny hetsika ana habakabaka.
Mirefy 6 000 ha ny velaran-tany ho tondrahana fanafody famonoana valala, mahatratra 6 000 litatra, hamongorana tangorom-balala. Haharitra 15 hatramin’ny 20 andro ny hetsika. Mora kokoa ny famonoana sy fifehezana ny andiam-balala ampiasana ny helikoptera toy izao.
Mifanindran-dalana amin’ny hetsika ihany koa ny ekipa miasa an-tanety, efa nanomboka ny volana febroary 2024. Mizara telo izy ireo, any Manja ho an’ny faritra Menabe, Ihosy faritra Ihorombe ary Sakaraha faritra Atsimo Andrefana.
Nanatrika ny fotoana hiaingan’ny teknisiana handray ny angidimby, ny sabotsy teo, teny amin’ny seranan’ Ivato ny minisitry ny Fambolena sy ny fiompiana, Ratohiarijaona Suzelin. Navoitrany fa miezaka hatrany hamongotra tanteraka ny andiam-balala ny fanjakana malagasy amin’ny alalan’ny minisitera Minae. Misy ny paikady mazava ao anatin’ny 4 taona, mba tsy hiverenan’ny andiam-balala intsony, satria miantraika amin’ny fambolena sy ny famokarana izany.
30 000 ha natao an-tanety
Manodidina ny 30 000 ha ny velaran-tany efa voatondraka fanafody, natao hetsika an-tanety, nanomboka ny febroary teo, niarahan’ny minisitera sy ny IFVM tamin’ny mpiara-miombon’antoka. Nanentana ny rehetra ny minisitra Ratohiarijaona Suzelin hiara-misalahy satria iombonana ny ady amin’ny valala, hiarovana ny voly.
Njaka Andriantefiarinesy