VAOVAO TAMBATRA

Miisa 125 ny valan-javaboahary eto Madagasikara, misandrahaka amin’ny velaran-tany 9 tapitrisa ha. Anisan’ny fitaratra amin’ny fitantanana azy ireny ny fikambanana Gerp any Maromizaha, izay vao nanavao ny drafi-pitantanany. Nomena tombondahiny ny velon-tenan’ny mponina, nahatonga ny any an-toerana tsy nahitana doro ala intsony.

Hohamafisina ny fifanarahana ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy India. Voakasik’izany ny seha-pihariana jiforo sy ny lojo mainty ary ny vary. Tafiditra ao anatin’izany ny hamatsian’i India trakitera sy ny fanofanana ny Malagasy. Misy koa ny fiaraha-miasa eo amin’i Madagasikara, India, Alemaina, mahakasika ny famokarana ampemba.

Mirefy 25 km ny hatao godirao amin’ny 80 km henjehina hatao ao anatin’ny lalana migodana amin’ity taona 2024 ity. Manao ny asa ny orinasa egyptiana Samcrete avy amin’ny volan’ny fanjakana malagasy. Mitotaly 260 km ity arabe migodana mampitohy an’Antananarivo sy Toamasina ity.

Amidy 800 hatramin’ny 850 Ar ny atody iray eny amin’ny mpaninjara amin’izay fotoana mahalafo ny katsaka izao. Tsy latsaky ny 7 000 Ar koa ny kilaon’ny tongolobe, ankehitriny, izay fotoana tena hahavokarany ny volana desambra sy janoary. Midika izany, fa ahina vao mainka hiakatra ireo vokatra ireo amin’izao fotoana izao.

Partager sur: