Nivory voalohany teny Tsimbazaza ny depiote vaovao 163 mianadahy, omaly. Santarina amin’ny fanovana ny fitsipika anatiny izany. Miandry ny fifidianana ny mpikambana amin’ny birao maharitra.
Solontena 13 avy amin’ny vovonana Irmar, valo tsy miankina, telo vondrona Firaisankina, ary iray Fivoi. Ireo ny depiote handrafitra ny vaomiera manokana handinika ny fanitsiana ny fitsipika anatiny mifehy ny Antenimierampirenena, araka ny kabarin’ny depiote zokiolona, Rakotorahalahy Modeste, tamin’ny fanombohana ny fivoriana manokan’ny Antenimierampirenena, teny Tsimbazaza, omaly. Misy andininy tsy mifanaraka amin’ny zava-misy intsony ny fitsipika anatiny: ny isan’ny depiote 163, raha 151 teo aloha. Noho izany, nivory avy hatrany ny vaomiera manokana raha vao voarafitra, taorian’ny fotoam-panombohana. Izay vao hiroso amin’ny fifidianana ny filohan’ny Antenimierampirenena, raha lany amin’ny fivoriambe ny fitsipika anatiny.
“Tsy maintsy katsahina sy arovana mandrakariva ny hasin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny depiote zokiolona. Adidy ny manarina raha misy ny lesoka, ary tsy hiverina amin’izany. Tokony ho filamatra eto amin’ny tany sy ny fanjakana ny Anteninimierampirenena. Tsy eo amin’ny lafiny politika ihany izany, fa eo
amin’ny soatoavina sy ny fahendrena malagasy koa. Mifanindran-dalana amin’izany ny fanajana ny etika sy ny deantolojia. Anjaran’izy ireo ny mitandrina sy mampanaja ny fisaraham-pahefana sy ny fifandanjam-pahefana. Tranoben’ny demokrasia ny Antenimierampirenena, ka ny adihevitra rehetra dia tokony hitodika any amin’ireo foto-kevitra rehetra ireo mandritra ny asa rehetra iandraiketana hahazoana manohy ny fifanajana sy ny fanarahan-dalàna. Anisan’izany ny lalàmpanorenana, ny lalàna fehizoro momba ny depiote, ary ny fitsipika anatiny.
R. Nd.