“Mandeha ny resaka hoe horavana ny Antenimierampirenena. Eo koa ny hoe hoesorina ny mpikamban’nyy birao maharitra. Hita hoe misy karazana depiote amin’izao na teo aloha sy olompirenena mivondrona manangana fikambanana na vovonana.” Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tany Arivonimamo tamin’ny anaran’ny Fivoi, Rajerison Antoine, teny Tsimbazaza, omaly, momba ny toe-draharaham-pirenena. Nefa matetika hita tamin’ny fitondrana teo aloha ireny olona ireny, niady mafy sy nisikim-ponitra ary nanao ny aina tsy ho zavatra niaro izany. Tao anatin’ny hetsi-bahoaka: nisy niezaka nitady ny fomba rehetra namonoana izany.
Misy izao fanjakana izao, indreo indray ry zareo miaro an’izao fitondrana izao. “Tsy tafapetraka sy tsy vaoaro intsony ny etika sy ny ideolojia politika”, hoy izy. Tsy hita taratra izany ho fiarovana izay ho tombontsoam-bahoaka. Lasa izay tonga eo amin’ny fitondrana no arahina. Misy miteny hoe tsy mitaingina soavaly maty. Nefa tsy soavaly ny firenena sy ny fanjakana. Entina hampanjakana ny rariny sy ny hitsiny ary hampandrosoana ny mpiray tanindrazana ny fitantanana ny firenena. Misy sosokevitra tokony hoentin’ny tena ao anatin’izay. Arovana sy ijoroana izany hahatanterahana fiovana sy fampandrosoana tiana hoentina. Fa tsy izay mpitondra tonga eo dia arahina, ary izay tsy eo dia avela sy ariana. Tsy misy foto-kevitra ijoroana intsony izany, fa fivadibadihana politika. Lasa mirodana ny firenena fa fifindrafindrana politika fotsiny no atao, manaraka amin’izay misy tombontsoa manokana no aleha… Tsy ahoana ny firenena sy ny vahoaka amin’izany, fa ny tombontsoa no atao ho zava-dehibe. Mampalahelo raha izay no hitondrana ny firenena.
R. Nd.




