FANTINA sy FINTINA

Fanamafisana ny fiaraha-miasan’i Etazonia sy i Madagasikara ny fihaonan’ny filoha, ny kolonely Randrianirina Michaël sy ny ambasadaoro mpisolo toeran’i Etazonia, i Thomas D. Bevan, teny Iavoloha, omaly. Eo ny sehatry ny fiarovana sy ny fandriampahalemana. Eo koa izay hanamafisana ireo fiaraha-miasa efa misy ireo sehatra vaovao azo hiaraha-miasa.
Tonga nanao veloma ny filohan’ny Fana­vaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, teny Ambo­hitsorohitra, afakomaly, ny ambasadaoron’i Ejyp­ta eto Madagasikara, i Rabab Said Abdou Abdelha­di, niasa nandritra ny telo taona. Nambarany fa nahitam-pahombiazana ny fiaraha-miasa teo amin’ny fambolena, ny fahasalamana sy ny fotodrafitrasa ary ny varotra.
Nametraka fitoriana teny amin’ny HCC, Ambohidahy, ny antoko Kintana sy ny vovonana RMDM, afakomaly. Takin’izy ireo ny handravana ny Antenimierampirenena noho ny tsy fanajana ny And. 72 amin’ny lalàmpanorenana, tsy ahazoan’ny depiote miova vondrona poliltika mandritra ny fotoam-piasany. Kajikajy politika nanangan’ireo depiote ny FVM.
Nambaran’ny filohan’ny antoko Alfa, Rakotoniaina Mamy, fa izay hampandroso ny firenena no tokony hiadian-kevitra. Inona ny fifidianana hatomboka amin’ny jolay 2027: filohan’ny Repoblika sa depiote sa filoham-pokontany sa lalàmpanorenana? Iza no hikarakara izany: mpikarakara sady mpandray anjara ve ny fitondrana amin’izao?

Partager sur: