Nanao veloma ireo filoham-piangonana eo anivon’ny FFKM ny mpandrindra maharitra eo anivon’ny Firenena mikambana (ONU), i Issa Sanogo, omaly. Voatendry hiasa any Kameronina indray ny tenany rehefa nahavita ny iraka nampanaovina azy nandritra ny efa-taona teto Madagasikara. Nankasitrahany, tamin’
izany, ny ezaka fanelanelanana sy ny famahana olana teto amin’ny firenena nataon’ny eo anivon’ny fiangonana, indrindra ny olana politika sy ny krizy nifandimby. Nambarany fa ilaina hatrany ny mifampidinika sy mifanakalo hevitra. “Tanjona ny hipetrahan’ny fandriampahalemana sy ny fiadanana ary ny fitoniana”, hoy izy, nanoloana ireo filoham-piangonana. Nanteriny fa tsy tokony hatao ambanin-javatra ny fifampiresahana sy ny fifdampidinihana amin’ireo mpitondra na mpitarika fivavahana. Nampirisihiny ny tanora ho tia mandray andraikitra eo amin’ny sehatra rehetra misy azy avy. Hery iray maneran-tany ny tanora ka ilaina omena sehatra hivelarany, araka ny nambarany.
Notsindriny fa ilaina koa ny fahaizana mitarika ahafahana manandratra ireo andry telo, fanambin’ny ONU. Anisan’izany ny fahamarinana, ny fampandrosoana ary ny fiahiana sy fiarovana ny zon’olombelona.
Tsiahivina fa nanaraka akaiky ny toe-draharaham-pirenena teto, indrindra ny resaka politika tao anatin’ny efa-taona, i Issa Sanogo. Nifandray sy nifampiresaka tamin’ireo ankolafin-kery samihafa eto amin’ny firenena ny tenany tamin’izany.
Synèse R.