Tombola Miara-manorina mba haharitra : lasan’i Bruno mpanjifa avy eto Antananarivo ny loka lehibe

Ho fanomezan-danja ny akora vokariny, nampanao fifaninanana « Tombola » ho an’ireo mpanjifany ny orinasa Alpha ciment. Norombahin-dRafaralahindrianiaina Bruno avy eto Antananarivo ny loka goavana.

Natao ny alarobia 10 jolay lasa teo, tetsy Tsaralalàna, ny fanolorana ny loka ho an’ireo mpanjifa nahazo tamin’ny «Tombo­la Miara-manorina mba haharitra», nokarakarain’ny orinasa Alpha ciment. Nandrombaka ny amboara lehibe, tapakila fahazoana mividy ny akora «bon d’achat» mitentina 10 tapitrisa Ar, Rafaralahindria­niai­na Bruno, nanjifa izany teny amin’ny toeram-pivarotana eny Ilafy.
Notsiahivin’i Vincent Blan­chet, tale jeneralin’ny orinasa fa tanàn-dehibe 5 no nanaovana ny fifaninanana dia Antananarivo, Antsirabe, Fia­narantsoa, Toliara, Toamasi­na, nahitana mpaninjara 493. Nahatratra 600 ireo tapakila natonta ka nisy 500 ireo nandray anjara. Nahafa-po ny vokatra satria nihoatra noho ny noeritreretina. Naharitra 1 volana ny fifaninanana, na­nomboka ny 26 mey ka hatramin’ny 26 jona lasa teo. Niisa 16 ireo mpandresy, tamin’ity andiany ity ka mpanjifa avy eto Antananarivo no nahazo ny voalohany manerana ny Nosy.
Nahazo “bon d’achat” 2 tapitrisa Ar ihany koa Andrian­jatovo Jacques Léonce, nitana ny laharana voalohany ho an’ ny vondrom-paritra Anta­nana­rivo. Simenitra milanja 3 taonina ny an-dRakotoari­manana Alain François, nahazo ny laharana faharoa raha 1 taonina ny an-dRahajanirina, fahatelo. Samy notoloran’ny Alpha ci­ment fanomezana daholo kosa ireo mpaninjara, tamin’ity.
Ho an’ny vondrom-paritra Antsirabe, voalohany Man­dim­bison Mickael. Tany Fia­narantsoa, nibata ny loka Ramaharosandratana Abdon Jean de la Croix. Tany Toamasina, lasan’i Tiana ary i Sendra ny tany Toliara.

Torcelin

Partager sur: