Mandeha ny asa ataon’ny Ivontoerana famongorana ny valala eto Madagasikara (IFVM). Mitiotaly 1 650 ha ny velaran-tany voatondraka fanafody, ny 6 hatramin’ny 11 jolay 2024 teo. Hetsika ana habakabaka nampiasana helikopitera, ny 1 500 ha ary nahatratra 150 ha ny natao an-tanety.
Mitohy ny hetsika hampiasana ny angidimby, arakaraka ny fivezivezen’ny andiam-balala sy ny toetr’andro. Tanjona ny hanondrahana fanafody amin’ny velaran-tany 6 000 ha. Vinavinaina hatao ao anatin’ny 15 hatramin’ny 20 andro ity hetsika ity, izay natomboka ny 6 jolay teo. Voakasik’izany
ny any amin’ny faritr’Amoron’i Mania, Ihosy Ihorombe, Manja Menabe, mitohy any Manja, faritra Menabe, Ihosy-Ihorombe ary Sakaraha-Atsimo Andrefana. Tanjona ny hanafoanana
ny andiam-balala, na fara-faharatsiny hampihenana sy tsy hitarany any amin’ny faritra hafa intsony. Ampy rahateo ny fanafody eo am-pelatanana tohanan’ny mpiara-miombon’ antoka.
Hamafisina fa tsy azo atao velively ny mihinana na manome ny biby fiompy ny valala voatondraka fanafody.
Njaka A.