Forum Agoa: Tombony ho an’ny toekarena malagasy

Handray anjara amin’ny fihaonambe momba ny fiaraha-miasa ara-barotra sy ara-toekarena eo amin’i Etazonia sy ireo firenena afrikanina atsimon’i Sahara (Forum Agoa) any Washington DC, ny 24 -26 jolay, izao i Madagasikara. Hitarika ny delegasiona malagasy ny minisitry ny Fampiro­boroboana ny indostria sy ny varotra. « Mihoatra ny taona 2025, fanavaozana ny Agoa ho an’ny politika mampiaty sy maharitra ary hoavy mamiratra », no lohahevitra hodinihina mandritra ny roa andro hanaovana ny hetsika. Horesahina manokana ireo laharam-pahamehana iombonana sy hanamafisana ny fiaraha-miasa ara-toekaren’ny governemanta amerikana amin’ny kaontinanta afrikanina. Dingana lehibe eo amin’ny sehatry ny toekarena malagasy ny fandraisana anjara amin’ity fivoriambe ity. Mipaka mivantana eo amin’ny tontolo ara-barotra eto amintsika ny Agoa sady antoka ho an’ny fampiroboroboana ny fanondranana entana mihazo ny firenena amerikanina.

Fifanakalozan-kevitra

Hikaondoha ny fiarahamonim-pirenena sy ny sendika ary ny sehatra tsy miankina mandritra ny « Forum Agoa ». Aorian’izay, horesahina ny fiaraha-miasa ara-barotra sy ny fampiasambola eo amin’i Etazonia sy Afrika. Ankoatra izay, horesahina koa ny fivoaran’ny politika ara-barotra sy eo amin’ny fifandraisantsika amin’i Etazonia ary eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Marihina fa mifanindry an-dalana amin’ny fampiroboroboana ny sehatry ny indostria, izay anisan’ny andry iankinan’ny politikam-pampandrosoana ankapoben’ny fanjakana malagasy ny fiaraha-miasa ara-barotry ny Agoa.

Henintsoa H.

Partager sur: