Ao anatin’ny fanomanana ny fahatongavan’ny kaompania Emirates Airlines eto Madagasikara. Natsangana ny komity manokana hisahana ny fanomanana samihafa izay eo ambany fiadidian’ny Repoblika. Handrindra izany ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro. Hampitombo ny sidina iraisam-pirenena eto Madagasikara sy hampahafantatra ny firenena any ivelany ho an’ny fampiroboroboana ny sehatry ny fizahantany ny fahatongavan’ity kaompania ity. Tsiahivina fa hanao sidina inefatra isan-kerinandro (talata, alakamisy, sabotsy ary alahady) hampitohy an’i Dubaï sy Antananarivo ary handalo ao Seychelles, manomboka ny 3 septambra izao, ny kaompania. Hanao izany sidina izany ny Boeing 777-300ER. Hipaka mivantana eo amin’ny sehatry ny toekarena fa indrindra ny fizahantany ny fampitomboana ny sidina eto Madagasikara. Tanjon’ny fitondram-panjakana ny hahatratra 1 tapitrisa mpizahatany ho avy eto amintsika ny taona 2028.
Henintsoa H.