Mbola mitana ny sain’ny maro ny raharaha fandrobana sy fanafihana mpivady teratany karana, tetsy Behoririka, afakomaly atoandro. Vehivavy roa sy lehilahy telo nirongo basy vita gasy ireo jiolahy voatondro ho nahavanon-doza. Voasaringotra amin’izany ny vehivavy iray efa niasa tao amin’ireo voatafika. “Mpanasa lamban’izy mivady teo aloha ny iray tamin’ireo vehivavy ka nampidirin’ilay tompon-trano tao an-trano”, hoy ny fanazavan’ny mponina eny an-toerana. Taorian’io, niantso azy telo lahy izy roa vavy ka nanapoapoaka basy. Nandritra izany, noheverin’ny manodidina fa “pétard” na koa “gaz” nipoaka ireo poa-basy ka tsy nahataitra ny rehetra. Etsy ankilany, lasan’ireo vehivavy mialoha ny sakaosy nisy ny vola an-tapitrisa maro rehefa avy nanakorontana ny trano ireo jiolahy. Ny lehilahy namany kosa nitifitra ilay ramatoa teo amin’ny sandriny roa. Nandritra izany, mbola niezaka niantso an’ilay vadiny izy. Nihazakazaka mafy ilay lehilahy teratany karana ka nifanehitra tamin’ireo jiolahy teo am-bavahady miditra ny tranony. Nifampisintomana ilay vavahady vy ka namaly tifitra ireo olon-dratsy. Indrisy fa namoy ny ainy teo amin’ilay lalankely fivoahana ny vavahady iraisana ilay mpandraharaha. Fantatra fa vao nahalafo tsenambarotra iray tsy lavitra ny trano fonenany, ireto mpivady teratany karana ireto, ka saika hamonjy fodiana, any Pakistan amin’ny volana janoary 2023.
Hatreto, tsy mbola misy ny voasambotra momba ity fanafihana ity, hoy ny polisim-pirenena. Nambarany kosa fa misy ny hanaovana fanadihadiana momba izany. Andrasana ny tohin’ny raharaha.
Henintsoa Hani