Mpisoloky: efa nahazo 40 tapitrisa Ar tamin’ny Mvola vao voasambotra

Niakatra fampanoavana, omaly, ny raharaha momba ilay lehilahy mpisoloky olona amin’ny Mvola.

Voasambotry ny polisy teny Ankaraobato, ny zoma teo, ny tenany rehefa nifampitadiavana. Ma­ro ireo efa voasoloky sy nahazoany vola mitotaly 40 tapitrisa Ar, antony nahatonga ity lehilahy ity nanaovana famotorana. Fomba fanaony, manatona eny amin’ireny Cash-point ireny izy.

Mandritra izay, manararaotra mijerijery izay hokendreny no sady maka sary miafina amin’ny finday mandika ireo nomerao voarakitra sy voadika anaty kahie. Voaoma­na­na tanteraka ilay teti-dratsy.

Miantso na mandefa hafatra an’izay kendreny ny izy avy eo. Sahy mitonona ho mpiasan’ny Telma mihitsy izy ka mikoropaka miantso azy izay mahazo ny hafatra. Araka izany, asainy manao “opération” sy maka kaody ilay olona ary mahazo kaody hafa hahafahany maka izany eny amin’ny “distributeur automatique de billets” (DAB) akaiky. Na koa mandefa izany amin’ny nomerao hafa. Izay no ahafahan’ity mpisoloky ity misintona ny vola rehetra ao anatin’ilay kaontin’olona.

“Triple puce”

Manana “puce” iray amin’ny anarany ity mpisoloky gagilahy ity raha fanaovany ny asa ratsy kosa ireo roa hafa. “Puce” hitany kosa ilay ampiasainy ary mbola kaody “par défaut” izany ka azo ovaina. Lasibatra matetika ireo manao “dépôt” eny amin’iny faritra 67ha sy Anosy iny. Toerana isan’ny mahazaka vola mantsy ireo. 50.000Ar hatramin’ny 2 tapitrisa Ar ny vola efa nalainy tamin’izany.

Henintsoa Hani

Partager sur: