Ankaramena : mpangalatra taolam-paty sy zaza varira tratra

Voasambotry ny polisy avy ao amin’ny kaomisarian’i Taolagnaro, tao amin’ny kaominina ambanivohitr’An­ka­ramena, afakomaly, ny an­dian-jiolahy voarohirohy ami­na raharaha vaky fasana narahina halatra sy fivarotana taolam-paty. Raha ny angom-baovao voaray avy amin’ny polisy, nahazo loharanom-baovao izy ireo momba ny fisiana andian’olona mpanao trafikana taolam-paty ao amin’ity tanàna ity. Nametraka ny paikady rehetra ahafahana misambotra ireo jiolahy ny polisy. Fantatra fa mitady olona hiara-hiombon’antoka izy ireo momba izany trafika izany sy ny fakana an-keriny zaza varira. Tamin’io alatsinainy io, araka izany, ny fotoana nifanaovan’ireo olon-dratsy sy ireo olona hividy taolam-paty tao amin’ny kaominina Ankaramena. Olona efatra no tonga tamin’ilay fotoana izay nitondra solefanina mainty. Nikasa hanohitra ihany ireo olon-dratsy saingy efa voahodidina polisy ny toerana ka tsy afa-bela intsony. Ny iray amin’ireo jiolahy tratra ireo, nahitana basy vita gasy izay efa nisy balana calibre 12, ny telo ambiny kosa nahitana famaky tsirairay avy. Rehefa nosavaina ilay solefanina mainty, nahitana taolan-dava miisa 85 nalaina tamina fasana tany amin’ny fokontany Sakoamasay, kaominina ambanivohitr’Ankaramena.

Jean Claude

Partager sur: