Tazonina eny amin’ny kaomisarian’ny boriborintany fahatelo Antaninandro (CSP3) ilay jiolahy tratra teo ambony tafona tranombarotra iray, eny Behoririka, omaly tamin’ny 2 ora maraina. Ireo polisy nanao fisafoana tamin’iny faritra iny no nahita azy teo ambony tafon-trano, ary tsy afa-nandositra intsony izy ka noraisim-potsiny teo. Tratra teny aminy ny gony iray nisy “pince coupante”, saika hamakiany ilay tranombarotra.
Lehilahy iray hafa koa tratran’ny CSP3 teo am-panendahana olona. Nanamafy ny polisy fa mitohy hatrany ny asa fisafoana ataon’izy ireo amin’izao ankatoky ny fety izao.
J.C