Betafo: misokatra ny tsenan’omby

Misokatra ny tsenan’omby ao Betafo, kaominina dimy ao anatin’ny distrika no mahazo tombontsoa avy amin’izany, raha voatery mankany Mandoto na An­tsirabe ireo mpivarotr’omby teo aloha. Tombontsoa azo amin’ity tsena ao Betafo ity ny fisorohana halatr’omby sy hanala fahasahiranana ireo mpivarotr’omby amin’ ny taratasy sy fanarahana ny fahasalaman’ny omby. Fa­nampin’izay, ny vola miditra amin’ny kaominina. Mora tonga eo an-toerana koa ireo manam-pahefana mijery ny taratasin’omby sy mpivarotra hafa.

Ny ankamaroan’ny mponina ao Vakinankaratra rahateo mpiompy, indrindra fa ny omby hanehoana fananan-karena sy tahiry mipetraka. Toy izany koa ny kisoa sy fiompiana hafa. Atahorana anefa ny halatra sy ny fihanaky ny aretina mpahazo ny omby matetika (charbon bactérien, tuberculose, parasitose)

Koa sorohana ny halatra sy ny aretina amin’ireo omby, hananana tahiry tsara sy hahafahana mampitombo izany ho tombontsoan’ny isam-pianakaviana. Misoka­tra izao io tsena ao Betafo io, hivoriana hanatsarana haingana izay tokony hatao amin’ny varotra sy fiompiana omby. Taona maro no efa nangataka ny fisokafan’ity tsena ity ireo mpivarotra.

Ndrina

Partager sur: