Nahampoana: hisintonana mpizahatany

Miverina tsikelikely ireo mpizahatany vahiny mpandeha sambo vaventy, mitsidika ny morontsiraka sasany eto amin’ny Nosy, rehefa tsy hita nandritra ny roa taona, noho ny valanaretina Covid-19. Hatramin’ny volana oktobra tamin’ity taona ity, nisy dimy izao ireo sambo vaventy nandalo teto Mada­gasikara,
Ohatra Hanseactic Spirit nandalo tany Taolagnaro, nahitana mpizahatany alemaina miisa 190 nijery ny fari-dranomasina any Atsi­mo Atsinanana tamin’ny tapak’ity volana desambra ity. Betsaka tamin’ireo vahiny ireo koa no nitsidika nizaha biby sy zavaboahary ao Nahampoana, izay miara-miasa amina «Agence de voyage» alemaina iray. Talo­han’ny Covid io toerana io, afaka nandray mpizahatany hatramin’ny 200 isan’andro isaky ny fahatongavan’ny sambo. Nilaza ny mpitantana ny valan-javaboahary fa miroso miandalana, miverina amin’ny teo aloha izao ny fidiram-bola ao Nahampo­ana.
Mbola voafetra ara-poto­ana aloha izao ny hijanonana ao an-toerana, tsy ahazoan’ ireo mpitsidika misitraka tsara ny harena rehetra ny morontsiraka Taolagnaro. Na izany aza, misy ihany ny sasany mpanotrona mpizahatany mahazo tombony amin’ny asany, toy ny mpanondro dia, mpandika teny, mpivarotra asa tanana. An­tenaina fa hiverina tsikelikely miandalana ny fizahantany amin’ny ankapobeny . Amin’ny 5 marsa 2023, ohatra, hisy sambo vaventy ho tonga.

Ndrina

Partager sur: