Toliara : ampy ny vary eny an-tsena

Tsy misy ahina fa ampy sy ara-kalitao ny vary ao amin’ny tsenan’i Toliara. Tonga nanao fitsirihana, omaly, teny amin’ ireo mpivarotra ambongadiny sy mpaninjara any an-toerana ireo tomponandraikitra ho fiahiana ny mpanjifa. Niara-dalana nanao ny fidinana ifotony ny ekipan’ny fitantanam-paritry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra (DRIC) notarihin’ny Talem-paritra sy ny OMC Faritra nahitana ny Prefen’i Toliara. Nosavaina ihany koa ireo toeram-pitehirizana entan’ny orinasa mpandray vary avy amin’ny faritra hafa hamatsiana ny mponin’i Toliara. “Mbola tsara avokoa ireo vary tonga ao Toliara”, hoy ireo mpanara-maso.
Ankoatra izay, nanentana ny mpanjifa any amin’ny faritra ny talem-paritra (DRIC) Atsimo Andrefana mba hanjifa am-pilaminana ireo entana ilaina andavanandro. Tsy ananana ahiahy, hoy izy, ny kalitaon’ny entana amidin’ireo mpivarotra satria hentitra ny fanaraha-maso atao.

Henintsoa H.

Partager sur: