Maty irery, sempotra niafina tao anaty “baignoire” ny rangahibe iray. May ny trano nisy azy mivady tetsy Ambatomaro, ny talata alina teo.
Tranga mampalahelo. Namoy ny ainy tao anaty “baignoire”, ilay rangahibe 86 taona, monina etsy Ambatomaro. May ny trano lehibe iray misy rihana roa nipetrahany ka nandeha niafina nanavotr’aina izy saingy sempotra tao. Ny talata teo, tokony ho tamin’ny 10 ora alina nahazo antso mahakasika ity haintrano ity ny mpamonjy voina etsy Tsaralalana. Nandritra izay, niezaka namono ny afo sy namoaka ireo entana ireo mpiara-monina. Mpivady lehibe ireo tompon-trano, 86 taona rangahy raha 82 taona kosa ramatoa vadiny. Samy nanavotra ny aina izy roa tamin’ny fotoana nisehoan’ny loza. Araka izany, hita tao ambadiky ny efitrano fatoriana ilay vaviantitra, velona sy avotra soamantsara. Rangahy vadiny kosa, tao anaty “baignoire”, tsy nisy aina intsony. “Elaela ny nahitana azy noho izy niafina tany amin’ny efitrano fidiovana”, hoy ny loharanom-baovao voaray. Nambarany fa notadiavina tany amin’ireo efitrano may ity raim-pianakaviana ity saingy tsy nahitam-bokany mihitsy. Minitra vitsy taorian’izay vao hita tao anatin’ilay efitrano fidiovana izy. Tsy nisy aina intsony.
Nananosarotra
Mbola nirehitra ny afo tamin’ny fotoana nahatongavan’ny mpamonjy voina. “Nihidy avokoa ny varavarana ka voatery notapahina ireo “grille de protection”, hoy ny fanazavan’ny mpamonjy voina. Vita izay, notadiavina ireo tompon-trano. Nananosarotra ny famonoana ny afo, noho ilay trano anaty tanàna. Tonga nanampy isa ireo mpamonjy voina avy ao Tsaralalana ireo sampana avy etsy Andravoahangy sy Analamahitsy. Tamin’ny 11 ora sy sasany alina teo vao voafehy ny firehetana raha toa ka tamin’ny 02 ora maraina, ny alarobia kosa vao maty tanteraka ny afo. Hatreto, tsy mbola fantatra ny antony nahatonga ny loza. Ankoatra ity, voatafika andro vitsy talohan’ity zava-doza ity ireo niharam-boina, hoy ny loharanom-baovao iray. Notohizany fa mety nisy nandoro ilay trano, antony nahatonga ny loza. “Tsy mbola voafaritra kosa ny fototry ny afo. Fantatra kosa fa niainga tao amin’ny lakozia izany”, hoy ny mpamonjy voina.
Lehilahy roa namoy ny ainy
Ankoatra izay, lehilahy iray hita faty teo amoron-drano, etsy Andranotapahina, omaly maraina. Tsy mbola fantatra ny antony nahafaty azy, hoy ny loharanom-baovao. Lehilahy iray hafa koa hita faty tao anaty trano fandraisam-bahiny iray, etsy Anosibe afakomaly. Tonga teny amin’ny tranom-patin’ny Hjra ny vata-mangatsiakany, tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Tsy mbola fantatra ny mombamomba azy.
Henintsoa Hani