Namono tena: lehilahy maty nitsoraka tao ambany kamiao

Maty teo no ho eo ny le­­hi­­la­hy iray voafaokan’ny ka­miao lehibe nandalo teo amin’ny RN7, Pk 401 +400 teo Ankapila, fokontany Sendrinalina, kaominina Iala­nanindro, distrikan’i La­lan­gina, ny 19 desambra teo. Nahita ity fiarabe nandalo, noheverin’ny mpamily handeha toy ny olona rehetra ilay lehilahy. Kinanjo, nitsambikina tampoka tao ambany ko­diarana. Vokany, nandalovan’ny kodiarana ao­rian’ilay kamiao ny vatan’io lehilahy io. Nahatsi­ka­ritra ny zava-ni­sy, nambaran’ny fokonolona fa tsy salama saina ity niharan-doza ity. Noho ny ratra mafy na­hazo azy, teo amin’ny toerana nitrangan’ny loza ihany no namoy ny ainy io lehilahy io. Nogiazana ny ka­miaobe, ary natao fanadihadiana ny mpamilin’ny fiara.

Tsiferana R.

Partager sur: