Tsy an-kitsitsy! Lavon’ ny zandary nanao fanarahan-dia ny roa tamin’ireo dahalo nangalatr’omby tao Ambohidratrimo, ny alin’ny talata hifoha ny alarobia teo.
Nangalatra omby miisa 15, nirongo fitaovam-piadiana ka nampihorohoro ny iray tanàna ireo dahalo. Nampandre avy hatrany ny zandary ao an-toerana ny solontenan’ny mponina. Raikitra ny fanarahan-dia niarahan’ny fokonolona sy ny mpitandro filaminana tamin’io alina io ihany. Nanao ny sakana rehetra teny amin’ny toerana nokasain’ireo dahalo handehanana, nifanojo tokoa ny roa tonta. Nifanehatra tao amin’ny kizon’i Maroakanga, raikitra ny fifandonana, rehefa vaky nitifitra ny dahalo. Namaly izany ny zandary. Vokany, latsaka ny folo tamin’ireo omby teny amin’ireo mpangalatra. Voan’ny bala koa ny iray tamin’ireo jiolahy. Lavo minitra vitsy taorian’io ity farany.
Tafaverina ny basy
Nitohy ny fanarahan-dia nataon’ny zandary sy ny fokonolona. Mbola nanohy ny diany niaraka tamin’ireo omby dimy sisa lasany ireo dahalo. Tsy namelan’ny zandary, nanaovan’izy ireo paikady indray ireo olon-dratsy. Tonga tao amin’ny kizon’Antampon’i Mokony, nirefodrefotra indray ny basy nataon’ireo dahalo vao ny mangirandratsy. Tetsy ankilany, namely tifitra ny zandary. Minitra vitsy taorian’ny fifampitifirana, matin’ny bala ny iray naman’ireo dahalo. Latsaka teny aminy ny fitaovam-piadiana. Tafaverina koa ireo omby sisa tany amin’izy ireo. Naverina tamin’ny tompony, taorian’io ireo omby 15 nokasain’ny dahalo norobaina.
Tsiferana Randriatiana