Tsy hita ny fitaovan’ny miaramila tao amin’ny DAS avy ao Akondro, kaominina ambanivohitra Andranovorivato, distrikan’i Vohibato, ny 19 desambra teo. Nahazo 36 ora tsy hiasana, nikasa hody, namonjy ny vady aman-janany ny miaramila iray. Niandraikitra ireo fitaovana ireo, araka izany, izy. Mamo anefa io miaramila io rehefa niaraka tamin’ny havany iray nitondra moto. Mbola nijanonjanona noho ny fahasahiranany io mpitondra moto io. Nentin’ny alikaola nosotroiny, nirintona ilay miaramila ary nilaza tamin’io namany io fa tratrany any aloha. Fotoana fohy taorian’io, niverina indray ity miaramila ity. Tsikaritr’ilay mpitondra moto fa tsy teny aminy intsony ny kitapo nentiny.Very tao anatin’io ny “boîte chargeur ebonite” miisa roa sy “munitions ABO”, calibre 7,62mm miisa telopolo. Noheverin’ilay miaramila fa hadinony tany anaty kirihitra tamin’izy nivalan-drano io kitapo io. Nampandre avy hatrany ny Sefon’ny DAS Andranovorivato ity farany. Raikitra ny fikarohana ireo fitaovana ireo.
Tsiferana R.