INSI: malalaka ny tsenan’ny informatika

Nanao hetsika, fifaninanana manokana, « Hackaton » ho an’ny mpianatra ao aminy, ny sekolim-pirenena ambony momba ny informatika (INSI) eny Ambanidia, ny 20 sy ny 21 desambra teo. Voakasik’ izany ny mpianatra ao amin’ny foibe fianaran’asa. Nilaza Andriamiadana Tantely An­toine, mpampianatra, fa natao ity fifaninanana ity, entina hampivelatra ny saina sy hampiroboroboana ny fikarohan’ny mpianatra.
Isan’ny nandray anjara, ao anaty ekipa iray, Randriana­rivony Nirina Jaona sy Rako­tondravony Tsitohaina Ansel­mino. Safidy noraisin’izy ireo ny fivarotana kiraro amin’ny internety. Nambaran’izy roa lahy, fa « hita ao anatin’ity tolotra web nataonay ity daholo ny karazana kiraro rehetra ilain’ny mpanjifa, ary ao anatin’izany ny marika tena malaza, na koa tsy fahita firy. Tombontsoa amin’ny varotra amin’ny internet, tsy voatery manatona ny toeram-pivarotana ny mpanjifa. Tsy voatery manana toeram-pivarotana ny mpivarotra. Haingana ny fanaterana ny entana any amin’ ny mpanjifa, sns ».

Tsy mitsahatra mivoatra

Nomarihin’izy ireo koa fa malalaka sady midadasika ny tsenan’ny informatika. Satria, tsy mitsahatra mivoatra, ary tsy maintsy misy foana ny fikarohana sy ny tolotra vaovao ampiasana azy. Izay no ifantohany amin’ny fampandrosoana azy, na ny « development web » na ny « application web ».
Misy sokajy telo ny fiofanana ao amin’ny INSI. Misy ny sampam-pianarana oniversite, eo koa ny fanomanana ny diplaoma teknisiana ambony (DTS) ary ny foibe fampiofanana arak’asa.

Njaka A.

Partager sur: