Tafiditra avy hatrany afaka mandray anjara amin’ny fifaninanana «Prix Jeunes espoirs» ireo efatra voalohany teto Madagasikara, nifaninana tamin’ny «Prix Pierre Castel», andiany fahadimy. Nisolo tena an’i Madagasikara ny orinasa Ny Ako, taorian’ny fifantenana.
Manatontosa ny « Prix Jeunes espoirs » ny vondrona Castel sy ny mpiray ombon’antoka aminy. Anton’ny fifantenana ny fandraisana anjara ny hampiroboroboana ny seha-pamokarana maharitra sy mahomby, indrindra hanohanana ny mpandraharaha madinika aty Afrika. Tanjona manokana ny hampirisihana ny fandraharahana ny amin’ny sehatry ny fambolena tsy manimba ny tontolo iainana.
Niofana sy famatsiam-bola
Avy any amin’ny faritra Vakinankaratra ny orinasa Ny Ako, tantanin’Andriantsoa Herilalaina Olivier. Nandrombaka ny amboara «Prix Jeunes espoirs» ho an’i Madagasikara. Mifantoka amin’ny fambolena masomboly sy ny famokarana vilona ho an’ny ombivavy beronono ny seha-pihariany. Taorian’ny fahombiazana, nanaraka fiofanana tany amin’ny Sekoly ambony ho an’ny fambolena any Yamoussoukrou, Côte d’ Ivoire, ny tompon’ny orinasa. Nahazo fanohanana ara-bola sady tohana mitentina 1.650 euros ihany koa, hanatsarany sy hampiroboroboana ny seha-pihariany. Hitohy amin’ ny taona 2023 ny fifantenana « Prix Pierre Castel » sy ny « Prix Jeunes espoirs ».
Njaka A.