Tsipy kanetibe – «Mada 2024»: hiatrika ny «Tournoi de St Pierre» i Drogba sy i Misa

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara ho an’ny olon-droa miaraka, lehilahy, eo amin’ny taranja tsipy kane­tibe ny ekipan’ny Mama. Norombahin-dry zalahy, araka izany, ny tapakila handehanana atsy La Réunion.

Tontosa ny faran’ny herinandro lasa teo, teny amin’ny Kianja Tonga­rivo, ny fifaninanam-pirenena taranja tsipy kanetibe, ho an’ olon-droa. Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara, ny ekipan’ny AS Mama, nisy an’i Drogba sy i Misa ho an’ny Sénior, lehilahy. Araka izany, azon-dry zalahy ny tapakila hiatrehina ny «Tournoi de St Pierre», hatao any La Réu­nion, ny volana novambra ho avy izao. Ankoatra izay, hanao ny «Tournée Estivale 2025» ihany koa.
Resin-dry zalahy teo amin’ ny famaranana, tamin’ny isa 13 no ho 5, i Nary sy i Lova avy amin’ny klioba Bic. Teo amin’ny vehivavy, noromba­hin’i Baholy Tiana sy i Avotra, mpilalaon’ny IBC, ny amboara rehefa nandresy an’i Rindra­soa sy i Cynthia, tamin’ny isa 13 no ho 11. Raha ho an’ny sokajy Junior, voahosotra ho tompondaka ny ekipan’ny HMPC, nisy an’i Franco sy i Franckie. Lavon’izy mirahalahy tamin’ny isa 13 no ho 1, i Velonjanahary sy i Mario, avy amin’ny APM. Ny ekipan’ny Besady plus no voalohany teo amin’ny Vétéran, nahitana an’i Ndrema sy i Lam, rehefa nandavo an’i Mamy sy i Donné, mpilalaon’ny Bic, tamin’ny isa, 13 no ho 4.

Lasan’i Madagasikara ny Intenational d’Espalion

Ankoatra izay, nanakoako tany France ihany koa, ny alahady lasa teo, ny lazan’i Ma­da­gasikara. Norombahin’i Tse­lonina sy i Ny Havana ary i Baloti ny International d’Espa­lion, fifaninanana tafiditra ao anatin’ny “Tournée Estivale 2024”. Resin’izy telo mirahalahy tamin’ny isa 13 no ho 7 ny ekipan’i France, nisy an’i Mon­toro sy i Jean Feltain ary i Bonetto.
Marihina fa solontena mala­gasy miatrika ny “Masters 2024” ho an’i Madagasikara izy ireo.

Tompondaka

Partager sur: