Kitra – Amboaran’ny Caf: hanainga ny 18 aogositra izao ny Elgeco Plus

Araka ny vaovao nampitan’ ny loharanom-bavao iray avy eo anivon’ny klioba Elgeco Plus, ny 18 aogositra izao ity ekipa ity no hanainga eto Ma­dagasikara ho any Luanda. Raha ny fanazavana voaray hatrany, hanao “escale” ao Addis-Abeba izy ireo ary ny 19 aogositra vao hamonjy an’i Angola. Tsiahivina fa hiatrika ny fiadiana ny amboaran’ny Kaonfederasiona afrikanina, Caf, ity tompon’ny amboaran’i Madagasikara ity, ary ny ekipan’ny Lunda Sul Angola no hifanandrina amin’izy ireo. Marihina fa tsy mbola manana kianja ankatoavin’ny Caf ny Malagasy ka voatery hatao any Angola avokoa ny fihaonana mandroso sy miverina. Ny alarobia 21 aogositra ny fifanandrinana voalohany ary ny alahady 25 aogositra ny faharoa.
Ankoatra izay, tsara ny mampahafantatra fa nanafatra mpilalao efatra hanatevina azy ity solontenan’i Madagasi­kara ity. Anisan’izany i Rado, As Fa­nalamanga; i Andry Max, Fosa Juniors; i Lalaina, CFFA An­doharanofotsy ary i Haja Kely, mpilalao novolavolain’ ny Elgeco Plus Analamanga.

Mbola baraingo ny amin’i Jean Yves

Anisan’ireo mpilalao andry iankinan’ny Elgeco Plus de Madagscar i Jean Yves, lohalaharana. Araka ny vaovao azo tamin’ireo staff ity klioba ity, omaly, mbola ao anatin’ny fitsaboana tanteraka ny tenany, ka mila mahazo alalana avy any amin’ny mpitsabo vao afaka milalao. Tsiahivina fa ta­paka nandritra ny famaranana ny « Telma Coupe 2024 » teo i Jean Yves.

Fitia Randria

Partager sur: